Fanambarana
Manoloana ny toe-draharaha ankehitriny dia tianay mpitsara ny manao izao fanambarana izao:
Ny loharano nipoiran’ny hetraketraka natao tamin’ny fitsarana ka nahatonga andiana polisy tany Toliara, ny 09 desambra 2011, hamono ny mpitsara REHAVANA Michel tamin’ny fomba feno habibiana dia manaporofo ny fahaverezan’ny hasin’ny fitsarana.
Mijery miara-mahita isika ary misaina miara-manaiky fa ny rafitra sy ny anjara toeran’ny fitsarana eto amin’ny firenena hatramin’izay ka nahatonga ny filazana mandrakariva ny fisian’ny fahalovana toy ny kolikoly, ny fampiasan’ny mpanao politika ny fitsarana, ny tsy firaharahiana ny didim-pitsarana, …dia mapiseho ny fanaovan’ny mpanao politika sy ny mpitondra nifandimby ny fitsarana ho faralahy eo amin’ny fitantanana ny firenena mba ho fiarovana tombontsoa manokana.
Ny fitavozavozana tafahoatra mbamin’ny tahotra fandraisana andraikitra ary ny finiavana tsy te hamaha olana manoloana ny toe-javatra mitranga, indrindra ny fisian’ny rà latsaka, dia ahatsapana mivaingana fa tsy misy Fanjakana na tompon’andraikitra ambony mendrika izany anarana izany eto Madagasikara raha ny taorian’ny datin’ny 09 desambra 2011 no resahina.
Miharihary toy ny masoandro be lohataona fa ny nahatonga ny tsy matimanota dia noho ireo mpitondra nifandimby tsy namela ny fitsarana sy ny mpitsara handray ny andraikiny araka ny tokony ho izy. Azo entina hanaporofoina izany filazana izany ny fahitana ireo mpanao politika izay efa voasazy na voaenjika ara-pitsarana nomena andraikitra ambony eto amin’ny firenena indrindra eo anivon’ireo andrim-panjakana isan’ambaratongany nefa raha ny asam-panjakana tsotra fotsiny aza dia tsy azo andraisana olona tsy madio ara-pitsaràna. Ny fametrahana fanjakana tan-dalana dia tokony hiainga amin’ny fanomezana fahaleovan-tena marina ny fitsarana.
Ny tsy fisian’izany fanjakana tan-dalana izany ka tsy hisian’ny fitsarana mahaleotena dia hahazoana milaza tsy am-pihambahambana fa tsy voaaro ny zon’olombelona, ny aina sy ny fananan’ny isam-batan’olona.
Ny fahatsapana izany henatra lehibe mahazo ny fitsarana izany no mahatonga ny mpitsara hijoro mba hametrahana indray ny fitsarana amin’ny toerana tokony hisy azy eto amin’ny firenena ka hiantsoana ny rehetra « vahoaka, mpitsara, mpitondra, fiarahamonim-pirenena, fianakaviam-be iraisam’pirenena, … » mba hiara-hisalahy ho amin’izany. Heverin’ny mpitsara eto Madagasikara fa sarotra ho azy ireo ny hiaro ny Zon’Olombelona sy ny zon’ny isam-batan’olona raha toa ka ny Fanjakana mihitsy no tsy afaka manome antoka ny amin’ny fiarovana ny tsirairay eo am-panaovana ny asany.
Araraotin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara ity fanambarana ity hampahafantarana amin’ny rehetra fa tsy hilefitra amin’ny fangatahany na oviana na oviana izy na eo aza ny tetika maizina isan-karazany entina hanapotehana izao hetsika ataony izao. Mampahatsiahy ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara fa ny fahatanterahan’ny fitakiana ara-drariny izay ataony amin’izao fotoana izao dia midika ho FAHAFATESAN’NY TANY TAN-DALANA SY TSARA TANTANA ary ny fitoeran’ny tsirairay eo ambanin’ny lalàna eto amin’ny firenentsika.
Antananarivo, 11 janoary 2011
Ny Birao